Sivy lahy, izay voalaza fa isan’ny tompon’antoka tamin’ireo trangana fanendahana, fanafihana sy vono olona teny amin’iny faritra Ankatso sy ny manodidina iny no voasambotry ny pôlisy ny herinandro lasa teo. Tato ho ato tokoa izay dia saika velon-taraina ireo mponina eny an-toerana noho ireo firongatry ny asan-jiolahy io. « Taorian’ny trangana fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana misesisesy teny, izay naharatrana sy nahafatesana olona dia nanao fikarohana ireo olon-dratsy ny pôlisy. Nahazo loharanom-baovao maripototra fa mihaodihaody eny amin’ny arret 119 Ankatso ny iray tamin’ireo jiolahy izay efa malaza amin’ity asa rasty ity » hoy ny vaovao azo. Tsy niandrasana ela dia napetraka velam-pandrika ka dia voasambotra ranamana. « Nandritra ny fanadihadiana no nanondroany ireo namany miisa valo hafa, izay miara-manantontosa aminy ny asa ratsy sy ireo mpamatsy fitaovana ary ireo mpividy ny halatra ». Ny alakamisy lasa teo no voasambotra avokoa ireto namany ireto. Mazàna moa, rehefa misy asan-jiolahy dia saika ao foana ihany koa resaka rongony, izay isan’ny mandrisika ireo olon-dratsy hanao ny asa ratsiy rehefa mamomamo iny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fantatra fa mbola nahatratrana rongony 13 kilao, tao anaty gony, tany amin’izy ireo, nandritry ny fisavàna ny tranon’ny iray tamin’izy sivy lahy ireto. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela moa izy ireo, rehefa vita ny famotorana.
m.L