- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Fiara nitondra mpandevina nahafaty olona

Ankatso : Fiara nitondra mpandevina nahafaty olona

ANKATSONitrangana lozam-pifamoivoizana indray, tetsy Ankatso, ny asabotsy 06 aogositra lasa teo. Fiara nitondra mpandevina no nahafaoka ka nahafaty mpandevina iray. Raha ny fanazavana voarainay avy tamin’ny mpitandro filaminana ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fivezivezena an-drenivohitra (BAC) izay tonga nanao ny « constat » teny an-toerana, dia avy any Andraisoro ity fiara nitondra mpandevina ity no nihazo ny lalàna midina eny Ambolokandrina, toerana handevenana. Tapaka anefa ny hisatr’ilay fiara ka nitarika azy hivily tany amin’ny sisin’arabe nisy ireo mpandevina hafa efa niandry teny an-toerana. Vehivavy mpandevina iray, 40 taona, anisan’ireo mpandevina niandry teny an-toerana no voafaoka tamin’izany ka maty tsy tra-drano avy hatrany. Olona efatra hafa koa naratra mafy. Efa nentina teny amin’ny hopitaly hahazo ny fitsaboana sahazy azy avokoa ireto farany. Ilay mpamily kosa dia notazonina eny amin’ny biraon’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fivezivezena an-drenivohitra (BAC) eny Tsaralalàna hanaovana  famotorana. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro  filaminana araka izany ny raharaha.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici