- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkatso : Grevy sy korontana indray

Ankatso : Grevy sy korontana indray

Raikitra ny tora-bato, nirehitra ny kodiarana ary niditra an-tsehatra amin’izay ny mpitandro ny filaminana. Mpianatra eo anivon’ny ENS sy ny fakiolten’ny Medicine no niara-nigrevy ary mba hanehoan’izy ireo ny hatezerany mahakasika ny fanasaziana mpianatra iray (ENS) ka tsy afaka ny mandalo ao amin’ny faritry ny oniversite mandritry ny roa taona, izany dia niampy ny fangatahan’ny mpianatra mba hitovy ny sandan’ny vatsim-pianarana raisin’izy ireo, izany hoe ho an’ireo izay nahazo Bacc tamin’ny 2013 ka hatramin’ny 2015 dia tokony hitovy avokoa. Toy ny mahazatra ihany, dia nifanehatra tamin’ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny Emmo-Reg ireo olona maro. Tora-bato avy ato amin’ny andaniny ary toraka baomba mandatsa-dranomaso avy ato amin’ny ankilany.  Nihemotra ihany anefa ireo mpianatra rehefa nirefotra im-betsaka ny baomba, ary nitsoaka tany anatin’ny faritry ny campus. Nisy ny fanambarana avy amin’ny tompon’andraikitra fa nisy andian’olona nanararaotra tao anatin’ny hetsika, ary izy ireo dia nanakorontana. Nikatona avokoa ny fivarotana rehetra noho ny tahotra sao hianjadian’ny fanararaotana ary nijanona ihany koa ny fifamoivoizana. Nanome tokony ny tompon’andraikitra ny oniversite ny hamaha ny olana ary herinandro ny fe-potoana nomeny. Na izany aza dia mbola nitabataba hatrany ireo mpianatra ary nilaza ny mbola hanohy ny hetsika. Misy  mahatsikaritra fa, misy mpanao pôlitika manosika indray ny hetsiky ny mpianatra, indrindra koa manoloana ny hetsika nifanesy teto an-drenivohitra izay.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici