- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkatso II : Mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ankatso II : Mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mpangalatra iray indray no niharan’ny hatezeran’ny mpianatra, ny sabotsy lasa teo teny amin’ny tranon’ny mpianatra Ankatso II. Araka ny fanazavana azo, dia nisy olon-dratsy maromaro saika handroba tranona mpianatra teny an-toerana. Ny iray tamin’izy ireo efa tafiditra tao an-trano mihitsy. Sendra ny firaisan-kinan’ny mpianatra anefa sy ny fisian’ireo mpiambina teny an-toerana, ka tratra tao ity mpangalatra ity, ary niharan’ny hatezeran’izy rehetra. Ny ainy sisa no tsy niala.

Tany ho any amin’ny sivy ora alina no nisehoan’ity tranga ity. Asa, hoy ireo mpitazana, mety ho noheverin-dry zalahy fa tsy nisy olona tao amin’ity tranon’ny mpianatra ity ka niditra tsy nisalasala izy ireo. Sendra tao anatiny anefa ny tompon-trano. Hany herin’ity mpangalatra dia ny nandratra azy. Niantso vonjy avy hatrany anefa ity mpianatra ity. Poa toa izay ihany koa dia tonga namonjy avy hatrany ireo mpianatra manodidina. Nampandrenesina ihany koa ireo mpiambina, ka dia noraisim-potsiny avy hatrany ity mpangalatra ity. Ary samy nanafay azy tao avokoa. Soa ihany fa tonga teny an-toerana ihany koa ny pôlisy avy amin’ny boriborintany faharoa, nitondra avy hatrany ity olon-dratsy voasambotra ity, raha tsy izany dia mety ho ny ain’ity farany ity indray no nanaraka. Araka ny fantatra dia ireo fitaovana sarobidy, toy ny solosaina entin-tanana na finday no tena angalarin’ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana. Tokony ho mailo foana araka izany izy ireo, hanidy tsara ny trano sy tsy hametraka izany rehefa tsy ao an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici