- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana telo voasambotry ny pôlisy

Ankatso : Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana telo voasambotry ny pôlisy

Taorian’ny fanafihana mitam-piadiana izay nahalasibatra tranombarotra lehibe iray teny amin’iny faritra Tsarahonenana iny, dia niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadina ireo tompon’andraikitry ny filaminana avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Fantatra ary, araka ny fampitam-baovao azo, fa jiolahy telo, rain-dahiny amin’ny resaka fanafihana mahery vaika no voasambotra teny amin’iny faritra Ankatso sy Antsahamamy iny ny talata lasa teo. « Nahazo vaovao ny Polisy mahakasika ny lehilahy 01 mpanao fanafihana mitam-basy hita teny amin’ny faritra Tsiadana. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no voasambotra teny Antsahamamy ilay lehilahy ». Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ity farany ka tamin’izany no nahalalana fa mbola misy naman’izy ireo mandehandeha any, izay monina eny amin’iny faritra Ankatso iny. Ny harivan’io talata io ihany dia nidina teny amin’ilay faritra voatondro ireo pôlisy avy ao amin’ny CSUSI (Service central des Unités speciales d’intervention). « Tokony ho tamin’ny 05 ora hariva no voasambotra teny amin’ny faritra Ankatso ireo roa lahy ireo. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky ho nandray anjara mivantana tamina fanafihana mitam-basy tamina tranom-barotra lehibe iray teny Tsarahonenana izy ireo ». Tsy nijanona hatreo anefa ity raharaha ity fa fantatra fa mbola misy naman’izy ireo miriaria ihany koa any : roa lahy, ary efa eo an-dalam-pikarohana azy ireo mpitandro filaminana, ary inoana fa tsy ho ela ihany koa dia hibaby ny asa ratsy nataony.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici