- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Lehilahy nisandoka ho pôlisy nosamborina

Ankatso : Lehilahy nisandoka ho pôlisy nosamborina

Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faharoa etsy Anosy, ny faram-paran’ny volana teo, noho ny  fisandohana andraikitra, teny amin’iny faritra Ankatso iny. Milaza mantsy ity lehilahy ity, fa pôlisy ary miasa ao amin’ity sampana iray eo anivon’ny pôlisim-pirenena ity. Teny Analakely no niseho ny tantara, raha nihinan-kanina tao amina toeram-pisakafoana iray teny an-toerana ny lehilahy. Rehefa nandeha ny resadresaka teo am-pihinana, dia nilaza tamin’ny tompon’ilay hôtely, fa pôlisy izy ary manana karatra matihanina tokoa. Nanararaotra izay ilay mpivarotra ary nilaza fa manana olana amin’ny trosa. Voalazany, fa manana vola aman’hetsiny amin’ilay mpivarotra eo an-kilany mantsy izy, kanefa tsy mety mandoa izay ilay ramatoa mpivarotra. Nidingin-drambo ity pôlisy sandoka ary nilaza fa afaka mamaha tanteraka izany olana izany. Nomena fiantsoana ho eny amin’ny Anosy avy hatrany ity ramatoa ity. Tonga teny an-toerana anefa vao fantatra fa tsy misy izany raharaha izany karakarain’ireo tena mpitandro filaminana eny an-toerana. Teo no nahafantaran’ireo tompon’andraikitra, fa misy olona misandoka andraikitra any ho any ka natao avy hatrany ny fanadihadiana. Tsy niandry ela, fa voasambotra teny Ankatso ilay lehilahy milaza ny tenany fa pôlisin’ny « BC ». Nentina nofotorana avy hatrany ity farany ary nalefa teny anivon’ny Fampanoavana. Nidoboka am-ponja avy hatrany ny lehilahy. Malaza mihitsy ankehitriny ity resaka mpitandro filaminana manararao-pahefana ity. Tsy eto Andrenivohitra ihany, fa na amin’ny faritra aza. Ny tsy azo lavina fa misy tokoa ireo tena mpitandro filaminana tampohan’ny nahazo andraikitra sy nitana basy ka mihevitra azy ho mafibe, saingy ao koa ireo olona te ho mpitandro filaminana mafy ka misandoka izany asa izany, entina handotoana fotsiny iretsy mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hanaovana asa ratsy. Toy ity tetsy Analakely ity sy teny amin’iny faritra 67ha iny (jereo lahatsoratra etsy ambony).

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici