Toe-javatra mampalahelo nahazo ny tovovavy mpianatry ny oniversite iray monina eny Ankatso. Niharan’ny herisetran’ny olon-dratsy izy io ny alahady alina. Araka ny fanazavana azo, mpianatra mipetra-drery mandranto fianarana eny amin’ny oniversite izy io, no izao nanaovan’ny jiolahy an-keriny izao. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no niditra an-keriny tao aminy ny olo-dratsy. Efa tao anatin’ny torimaso ilay tovovavy ka raha naheno ny fisokatry ny varavarana vao taitra. Niezaka niantso vonjy saingy tratran’ny daroka avy hatrany ka voa teo amin’ny lohany ilay tovovavy. Nikaroka ny vola sy ny entana sarobidy izy ireo ka lasa tamin’izany ny vola 60.000 Ar tao aminy. Mba tsy hitan’ireo jiolahy kosa ny ordinatera fitondra mandeha tao an-trano. Tsy nahatsiaroa tena ilay tovovavy ka nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny, izay vao nitsoaka ireo. Voalaza fa nisy naheno ihany ny toe-javatra hoe nisy hafahafa, saingy natahotra ny olona.
Hita fa miakatra be ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika. Ny mpianatra handranto fianarana no ahatongavany eto, lasibatry ny olon-dratsy. Maro ny mpianatra manofa trano eny amin’ny manodidina an’Ankatso, toy ny eny Tsiadana, Ambohipo sns, izay mety ho tandindonin-doza tahaka ity mpianatry ny oniversite ity. tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiaroavana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany izy ireo, ka tokony hiaro ny mponina. Ny fisafoana amin’ny alina, fampitomboana ny isan’ny mpitandro filaminana miasa andro aman’alina, ary ny tsy famelana mora foana ny olon-dratsy mampahory ny vahoaka tahaka izao. Raha tsy mamaky trano, manendaka, mandroba, manolana na mamono mihitsy. Iza izany no ianteheran’ny vahoaka amin’ny loza mitatao isan’andro izao ? Tsy misy intsony ny miaina am-pilaminana.
Yv Sam