- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso - Niady ny samy mpianatra : telo no naratra

Ankatso – Niady ny samy mpianatra : telo no naratra

Fikambanana roa samihafa no nifandona noho ny resaka ady trano. Raha ny fanazavana azo dia teo anivon’ny fikambanana samy mpianatr’Antanananarivo miray (mafami) sy ry zareo eo anivon’ny bako zetra Alaotra Mangoro Ambatondrazaka mitambatra (BAMAMI) no nisy ny tsy fifanarahana. Raha ny fanazavana azo dia nifandimpatra tanteraka ny fifandrindran’ny trano teo anivon’ireo fikambanana roa tonta ireo. Nisy trano tokony hipetrahan’ny BAMAMI, lasan’ny MAFAMI, dia torak’izany ihany koa   ny an’ny MAFAMI lasan’ny BAMAMI. Ny olana anefa dia tsy nety nisy fifandaminana teo amin’ireo fikambanana. Mainka koa aza, rehefa nandeha ny fotoana, velona ny fifampihantsiana. Dia io niafara tamin’ny sakoroka io, ny harivan’ny alahady teo. Telo no naratra tao anatin’izany raha araka ny fanazavana azo. Nifampitoraka vato, nifampively kibay ireo lehilahy maro. Voatery naiditra hopitaly ireo naratra, satria voa mafy. Nanao izay ho afany ihany ny mpiara-monina nanasaraka fa tsy nanakana ny fisian’ny naratra izany. Nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary nandravona ny raharaha, torak’izany ihany koa ny talen’ny Croua. Omaly dia mbola nafana ihany ny fo ary nilaza ny mpianatra sasany fa tsy hanaiky izay nanjo azy. Misy ihany koa ny milaza fa lasa mifangaro politika ny raharaha ary misy tsy fahaiza-manaon’ny tompon’andraikitra amin’ny fandraharaha ny trano. Manoloana ny zava-nitranga dia nisy ny fivoariana maika teo anivon’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny avy ao amin’ny fiadididana ny oniversite ary ny Croua. Isan’ny nandray anajara tao ihany koa ny solontenan’ny mpianatra. Isan’ny nivaingana tao fa “Tsy eken’ny fanjakana ny fanimbana fananana sy fandratrana olona, andraikitry ny fanjakana ny fandaminana sy fandraisana andraikitra raha sendra misy ny korontana”. Nisy antso avo natao amin’ireo mpianatra mba hilamina aloha, hanajanona ny fifandonana sy fifandirana satria efa mitady vahaolana ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser