- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Nidina an-dalambe ny mpianatra noho ny delestazy

Ankatso : Nidina an-dalambe ny mpianatra noho ny delestazy

Tora-bato, poa-basy … Raikitra indray ny sakoraka teny Ankatso, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Toy ny mahazatra dia nifanandrina tao anatin’izany ny mpianatra tetsy andaniny, ary ireo mpitandro filaminana, izay nahitàna ny pôlisy sy ny zandary, tetsy ankilany. Nidina an-dalambe naneho ny tsy fahafaliany amin’ny resaka delestazy mantsy ireo mpianatra. Araka ny fantatra, teny an-toerana dia nahitàna fahatapahana ny jiro tamin’ireo tranon’ny mpianatra. Izany dia mety ho vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Efa tsy mahazaka intsony mantsy izy ireo eo anatrehan’ny fampiasàna izany be loatra, ka niharan’ny fahasimbana. Antony niteraka ny fahatapahan-jiro. Toy ny nataon’ireo namany teny Vontovorona dia nanapa-kevitra ny haneho ny hatezerany izy ireo. Feno azy ireo ireo lalana rehetra teny amin’iny faritra Ankatso sy ny manodidina iny. Noho izay toe-javatra izay dia nandray an-tanana ny fiarovana ireo mponina eny amin’iny faritra iny ireo mpitandro filaminana, izay tonga haingana teny an-toerana. Niha-nivoatra tsikelikely mantsy ilay fidinana an-dalambe ka niafara tany amin’ny fandrobana sy figafiana ireo tranon’olona teny amin’ny manodidina, araka ny fanazavàna azo. Toa vao mainka anefa nampirongatra ny hatezeran’ireto mpanao fitakiana ny nahatongavan’ireo mpitandro filaminana. Raikitra teo ny tora-bato sy ny tabataba. Voatery nanapoahana basy natao tifi-danitra ho fampitandremena mihitsy izany vao nilamina ireto mpitokona. Tsy nisy moa ny fisamborana araka ny fanazavàna azo, ary nalaky nilamina ihany ireto mpianatra, rehefa niverina ny jiro. Araka ny fantatra moa dia tany amin’ny efatra maraina tany ho any ho tonga teny an-toerana ireo mpiasa avy ao amin’ny Jirama, namerina tamin’ny laoniny izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici