- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Nivarotra lasantsy tanaty tavoahangy, roalahy nosamborina

Ankatso : Nivarotra lasantsy tanaty tavoahangy, roalahy nosamborina

Delegasiona mafonja, nahitàna solon-tena avy eo anivon’ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny akoran’afo (OMH) sy ny mpitandro filaminana no nidina teny Ankatso omaly, rehefa naheno tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao fa misy olona manao varo-maizina lasantsy sahady. Tra-tehaka teo tokoa ny roalahy, izay mbola nivimbina ireo tavoahangy plastika anakiroa feno lasantsy  mitotaly teo amin’ny … telo litatra  teo ho eo. Nosamborina avy hatrany izy roalahy ireto ary nentina natao famotorana. Rehefa nangataham-panazavana nahakasika an’io moa ireo tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana misahana iny faritra dia nilaza fa « lasantsy nihoatra tao anaty « reservoir »n’izy ireo izy io ka nokasain’izy ireo hamidy ho an’izay mila ». «Mampanofa fiara izy ireo. Nisy mpanjifa saika haka ny fiarany ary nanao ambim-bavana solika izy ireo kanjo tsy raikitra ilay izy ka io nokasain’izy ireo hamidy io ilay ambina solika » hoy hatrany ny fanazavàna azo. Fantatra fa nalefa nandeha ireto olona ireto, rehefa vita ny fakàna am-bavany azy. « Nomena fampitandremana am-bava fotsiny izy ireo dia navotsotra omaly ihany ». Marihana fa voararan’ny lalàna tokoa ny fivarotana an-tsokosoko solika eny an-tsisin-dalana ankoatry ny eny anivon’ny toby fivarotan-tsolika ara-dalàna, indrindra fa « ho an’ireo izay mety halaim-panahy hanararaotra izao  fotoan-tsarotra izao ». Mampitandrina mafy azy ireo ity sampan-draharaha ity ary nilaza fa tsy hisy indrafo ho an’ireo tratra manao izany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici