Ankoatra ilay tany Morarano Gara dia saika niampy roa indray ireo olon-dratsy voadoro velona tetsy Ankatso, omaly. Saingy soa ihany fa tonga aloha ireo mpitandro filaminana nanesotra ireo mpanao ratsy teo ambany vahoan’ireo mponina. Omaly tokony ho tamin’ny enina ora maraina tany ho any no niseho ny tranga, raha ny angom-baovao azo. Tratran’ireo mponina, teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy mantsy ireto roa lahy ireto. Avy nangalatra saingy tsy tafatsoaka ary dia noraisim-potsiny. Tsy vitan’ny fisamborana fotsiny teto no nataon’ireo nahatratra azy fa efa niainga avokoa ity daroka sy vono rehetra ity. Efa naratra be sy nalemilemy izy roalahy no nisy nitaky ny fandorana azy ireo velona. Niara-nanaiky izany avokoa ny rehetra teo an-toerana. Notaritaritiny ho eny amin’ny kianja fanaovana baskety azy izy roalahy ireto, ary efa teo am-piomanana ny handoro azy iny ireo fokonolona no tonga ny mpitandro filaminana. Ireto farany moa no nanakana ity fitsaram-bahoaka nokasain’ireo olona hatao ity ary nitondra malaky ireto olon-dratsy tany amin’ny biraon’izy ireo hatao fanadihadiana.
Efa tofoka sy leo tanteraka amin’ity resaka tsy fandriaham-pahalemana ity tokoa ny olona raha ny tranga tato ho ato no jerena. Ekena, hoy izy ireo, fa manao ny asany amin’ny fisamborana ireo mpitandro filaminana. Saingy ny mampalahelo dia afaka taona vitsivitsy, na volana, eny fa ny sasany dia aman’androny dia iny fa mivoaka ary manohy hatrany ny asa ratsiny. Ny tena loza aza dia na hatramin’ireo mpanendaka sy mpangaraom-paosy aza no mahavita manatsatoka antsy sy mamono. Tsy lazaina intsony ny ataon’ireo andian-jiolahy manafika miaraka amin’ny basy mahery vaika sy ny andian-dahalo any ambanivohitra any.
m.L