
« Tsy tifitra hamono fa hampihemotra (…) « Cartouches/munitions à blanc (inoffensives) ». Tsy bala mahafaty ireny ary tsy mikendry mivantana ny mpanao fihetsiketsehana» hoy ny hita tao anatin’ny pejin’ny zandary eto Antananarivo.
Omaly, tsy vitan’ny baomba mandatsa-dranomaso toy ny mahazatra intsony no nanosehana ireo mpianatra maro, niaraka tamin’ireo Gen Z, tonga nanao fitakiana milamina omaly tetsy Ankatso fa nampiana fiara mifono vy ary nampiakarina ambony ny setrasetran’ny Gsis, izay tsy nitsahatra nanao tifitra variraraka tamin’ireo mpanao fitakiana.
Niakatra an-tanan-tohatra avoavo tokoa omaly ny fifandonana teo amin’ireo mpanao fitakiana sy ny mpitandro filaminana. Voalaza mantsy fa mbola mampihatra amin’ilay « famerenena ny filaminana » (ROP) ireo mpitandro filaminana ka tsy nisy intsony fitsitsiana na dia kely aza. Ary vao maika nanampy trotraka izay ny herisetra mivantana nasehon’ireo vondron-kery manokan’ny zandary. Manamboninahitra iray no tsy misy tahotra intsony manenjika ireo mpanao fihetsiketsehana hatrany anaty tokontanin’ny hôpitaly. Variraka ny tifitra akaiky (à bout portant). Ka na dia bala tsy natao hahafaty aza araka ny fanazavana nentin’ny pejin’ny Cirgn Antananarivo, dia mety hampitondra takaitra ihany. Vokany, maromaro ireo naratra teny an-toerana izay noraisin’ny Croix Rouge an-tanana ny famonjena sy ny fitondràna azy ireny eny amin’ny hôpitaly. Tetsy andanin’izay ihany koa, nisy ireo voasambotra teny an-toerana.
Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany ho any no nipoaka voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso ary tsy nisy fifampiresahana na fampitandremana intsony, toy ny tamin’ny sabotsy. Talohan’io fotoana io dia efa nifampitaona teo Ankatso avokoa ireo tanora mivondrona ao amin’ny Gen Z niaraka tamin’ireo mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo sy ny solon-tenan’ny mpianatra vao nivoaka, ny mpanakanto ary ireo « influenceurs ». Hetsika am-pilaminana fitakiana no nentin’izy ireo nitanjozotra, hihazo an’Ambohijatovo, kianjan’ny demokrasia, kanjo fanaparitahana mahery vaika no setriny avy amin’ireo mpitandro filaminana, raha ny hita teny an-toerana. Nirefodrefotra hatramin’ny hariva ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny basy bala fingotra. Namaly bontana ihany koa moa ireo mpanao fitakiana tamin’ny alalan’ny tora-bato, ny fampiasàna flesy ary ny fandoràna kodiarana. Nisy tamin’ireo mpanao fitakiana ihany koa no nandoro ny ampahan’ny tanety tetsy Ambohidempona.
Marihana fa ankoatr’ity teny Ankatso sy Tsiadana ity moa dia nanomboka nanangana sakana ihany koa ireo mpanao fitakiana taty amin’ny faritra Ankadifotsy sy Antaninandro, omaly hariva.
m.L


