- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Vehivavy iray hita faty

Ankatso : Vehivavy iray hita faty

Vehivavy iray tokony ho 25 taona no hita faty teo amoron-dalana tanaty bozaka, omaly teny Ankatso II. Olona nandalo no nahita azy io ary nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga nizaha ny razana niaraka tamin’ny dokotera ireo mpitandro filaminana ireo. Tamin’ny fizahana nataony no nahafantarana fa tsy nisy ratra hita nivantana tamin’ny vatan’ilay vehivavy. Afaka fotoana fohy, voalazan’ny vaovao fa tonga teny an-toerana ihany koa ny nenitoany izay ipetrahana eto an-drenivohitra. Hatramin’izao, tsy fantatra marina izay nahafaty an’ity olona ity. Ny mpitandro filaminana efa miroso amin’ny fanadihadiana isan-tsokajiny ary mety avy amin’izany no hahalalana ny tena marina. Loharanom-baovao hafa no hilazana fa avy namonjy lanonana fanaovam-beloma ny namany ity vehivavy ity izao namoy ny ainy izao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici