- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkavandra : Andian’olona no nifanandrina fa tsy fokonolona

Ankavandra : Andian’olona no nifanandrina fa tsy fokonolona

Taorian’ny fanelanelanana nataon’ny zandary notarihin’ny manamboninahitra (Officier de coordination) any an-toerana sy ny fidinana ifotony nataon’ireo solon-tenam-panjakana avy amin’ny distrika sy nyf aritra dia efa niverina tanteraka ny filaminana ao amin’ny kaominina Betsipolotra, any Ankavandra. Nifanaiky ireo andian’olona mpifanadrina ka naharatrana olona am-polony sy nahamaizana trano maromaro tamin’ny 20 aogositra, fa hampitsahatra ny fifandirana. Raha tsiahivina ny zava-niseho dia halatra omby no niandohan’ny fifandonana teo amin’ny tanàna anankiroa tao amin’ity kaominina ity. Nisy fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny fokontany Amparihikely ny 16 Aogositra, Omby 150 no very ary maty tamin’izany ny mpivady tompon’omby sy ny lehilahy iray mpiasan’izyireo. Niverenan’ny dahalo indray anefa io tanàna io raha mbola tsy voalevina akory ireo maty,  ka omby 240 indray no lasa. Rehefa voalevina ny faty, mbola niverina indray ny fanafihana ka nahaverezana omby 60. Nilaza niantso zandary  ihany ireto niharan’ny fanafihana nisesy saingy tsy nisy vokany izany. Koa satria, efa misy andian’olona mpifandrafy noho ny resaka halatra omby avy amin’ireto tanàna ireto dia raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka niafara tamin’izao savorovoro izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici