Nitrangana halatra omby indray tany amin’ny distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny zoma maraina teo. Dahalo 20 mahery nirongo basy mahery vaika no nanafika tao amin’ny fokontany Tanamanintsy, kaominina Ankantsakantsa Sud. Very tamin’izany, ny ombin’i Komity 150. Raikitra ny fanarahan-dia taorian’ny fanafihana nataon’ny malaso, ka nanampy tosika ny fokonolona nanara-dia ireo mpitandro filaminana avy ao Tanamanintsy sy Ankantsakantsa.
Nisy ny fifandonana tamin’ny roa tonta tao Bedoha, kaominina Ranomafana, distrikan’ Ankazoabo Atsimo. Dahalo 17 maty voatifitra, valo azo sambo-belona izay nentina naseho vahoaka sy natao famotorana ao Ankantsakantsa Sud omaly. Vokatry ny ezaky ny fokonolona nampian’ireo mpitandro filaminana, hoy Rafidy, sefo fokontany ao Tanamanintsy, dia azo avokoa ny omby 150 very izay haverina amin’ny tompony aorian’ny fanamarihana tsy maintsy atao.
Raha ny fampitam-baovao marim-pototra avy any an-toerana, avy amin’ireo tompon’omby efa lasibatra sy ireo ben’ny tanàna solontenam-panjakana, dia voalazan’izy ireo, fa misy olom-boafidy zatra ny làlan-dririnina mambotry vahoaka miray tendro amin’ny dahalo sy miaro ny olon-dratsy, ka antony iray mampirongatra ny halatra omby toa tsy ahitam-panafana hatramin’izao.
Tambazotra matanjaka. Raha ny fanazavana hatrany, dia matetika hita sy tratra any Ankazoabo Atsimo avokoa ny omby halatra avy amina distrika maromaro any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Ihorombe iny, tato ho ato. Manoloana izany, dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka any an-toerana mba hitady vahaolana mahomby sy hanafay faran’izay haingana ireo dahalo ambony latabatra mpanararao-pahefana sy ny malaso mpandroba ary mpamono olona.
Manitrisa