
Niverina nanafika indray tao Ranotsara kaominina Andranolava, ny marainan’ny zoma teo, ireo dahalo an-jatony, raha nandroba omby 70 sy namono olona roa, tompon’omby ny iray, ny 23 martsa lasa teo. Raikitra ny fanarahan-dia ka nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana tao Andranoatomily, tanànan’ny dahalo izay tsy vaky hatramin’izay. Vokatry ny fifadonana teo amin’ny roa tonta dia dahalo roa no maty ary nentin’ny namany nitsoaka ny fatiny.
Taorian’ny fifampitifirana dia natao savahao ny tanàna. Moara sy fanafody gasy roa gony no sarona tao an-tranon’i Derick lehiben-dahalo, niampy fanamiana zandary sy bala kalach iray. Raha ny fanazavan’ny komandà Tsiketa Janvier Parfait dia karohina fatratra amin’izao ity lehiben-dahalo tanora ity, satria any aminy ny basy Kalach iray very tamin’ny mpitandro filaminana naratra ny 25 martsa teo. « Efa fantatra ny toerana misy sy anafenan’ireo dahalo ny omby halatra ka hanaovanay be midina hamongorana ny asa ratsy. Tsy hamelanay raha tsy miverina ny basy very sy ireo omby 70, ary voasambotra i Derick lehiben’ny malaso », hoy hoy ny Kolonely Rakotonarivo William, komandin’ny Rezimanta Miaramila fahadimy.
Eric Man