Halatra taova indray ? Mihorohoro tanteraka ireo mponina any amin’iny faritra Ankazoabo Atsimo iny. Lehilahy iray indray mantsy no hita faty tany Sakanavaka, Ankazoabo Atsimo, ny faramparan’ny herinanandro teo. Ireo olona nahita no nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Mbola ao anatin’ny faritra iadidian’ny polisy moa izany ka dia ireo no nandray an-tànana ny raharaha. Tamin’ny fitsirihana ny razana no nahitana, fa tsy teo intsony ny mason’ity lehilahy ity sy ny taovam-pananahany. Marihana, hoy ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, fa olona tsy dia salama saina loatra, mipetraka amina tanana tsy lavitra eo io hita faty io. Efa nanokatra ny fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitra.
Fa manoloana ity trangana famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana tsy an-kijanona any an-toerana ity (nanomboka ny faram-paran’ny volana novambra lasa teo), dia mitohy tsy miato ny fanadihadiana iarahan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny Lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao Ankazoabo, dia efa nisy olona maromaro voasambotra voarohirohy tamin’ireo raharaha ireo, ary natolotra ny Fampanoavana. Misy valo izy ireo, raha ny vaovao hatrany. Marihana fa vono olona hafahafa, izay manana endrika halatra taova no miseho any an-toerana. Ny ankabeazan’ireo olona hita faty ireo mantsy, dia saika nahabangana avokoa ny faritra maromaro amin’ny vatany.
m.L