- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Mpianaka maty notifirin’ny dahalo

Ankazoabo Atsimo : Mpianaka maty notifirin’ny dahalo

Na dia azo lazaina aza fa efa miha miverina amin’ny fiainany andavanandro tsikelikely ireo mponina any amin’iny distrikan’Ankazoabo iny, taorian’ny nisian’ny hetsika fahalemana, dia mbola mamely eny ihany ireo dahalo, izay tena tsy mitsitsy mihitsy. Ny talata teo, 12 kilaometatra miala ny  tampon-tanàna, raim-pianakavina iray, niaraka tamin’ny zanany iray indray no maty voatifitr’ireo dahalo. Telo mianaka izy ireo no niaraka tamin’io fotoana io, teny ambony sarety, handeha hamonjy ny tanimboliny. Sendra ny tsy nampoizina izy ireo, raha nitranga tampoka avy anaty kirihitra avy any ny dahalo, nanambana basy azy ireo. Noho izay maha-tantsaha azy ireo izay, tsy n’inona n’inona azo nalaina tany aminy. Hany ka ny basy no avy hatrany niresaka, sady nitsoaka ireo olon-dratsy. Niantefa teny amin’izy mianaka, ilay rainy sy ny zanany, ny bala. Nahay nitampify sy niafina ilay renim-pianakaviana ka tsy tratran’ny balan’ireo malaso. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy tany an-tanana izy. Efa mandeha ny fikarohana sy fanarahan-dia io dahalo raha ny fantatra hatrany. Nahavariana fa toa miverina mirongatra indray tokoa ny asan-dahalo tany amin’iny faritra iny. Ary izany andro vitsivitsy alohan’ny hidinan’ireo solombavam-bahoaka hanao fanadihadiana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici