- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Mpivarotra nandeha moto, voaroban’ny dahalo mpanakan-dalana

Ankazoabo Atsimo : Mpivarotra nandeha moto, voaroban’ny dahalo mpanakan-dalana

Na dia eo aza ny fampiharana ny Dinabe izay hiadiana amin’ny halatra omby, ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy, ary ny fahalovana rehetra any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, dia mbola anisan’ny toerana mafana amin’ny asan-dahalo arahina vono olona ny ao amin’ny Distrika Beroroha sy Ankazoabo Atsimo, ary tato ho ato dia nahazoam-baovao hatrany ny fanafihana misy any an-toerana. Afak’omaly maraina, lehilahy iray mpivarotra nandeha moto handeha hividy entana any Toliara nanao taingin-droa niaraka tamin’ny tovolahy mpanampiny, no notafihana enin-dahy nitam-piadiana voalaza fa nitondra basy ny roa. 17 Km eo. Miala ny tampon-tanànan’ Ankazoabo Atsimo, renivohitry ny Distrika hihazo ny lalana mankany Sakaraha iny, no nisehon’ity fanafihana ity, araka ny vaovao voaray, ka voaroba tamin’izany ny vola mitentina 3,5 tapitrisa Ariary. Niezaka namaly an’ ireo olon-dratsy nandroba ny patiraony ilay tovolahy mpanampy, saingy vely famaky no niantefa teny amin’ny lohany, ka naratra mafy nihosin-drà ity farany.  Rehefa azon’ireo mpanakan-dalana ny rembiny dia nitsoaka niaraka tamin’ny kitapo babena nisy ny vola ireo dahalo, ary mbola karohina fatratra ankehitriny. Dify lavidavitra kosa ireo malaso vao sahy namelona ilay moto nianjera tamin’ny tany nitondrana haingana an’ilay tovolahy voavono sady naratra mafy namonjy tobim-pitsaboana ny voatafika.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici