- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Nafahan’ny fitsarana ireo karana voalaza fa mpamatsy basy ny...

Ankazoabo Atsimo : Nafahan’ny fitsarana ireo karana voalaza fa mpamatsy basy ny dahalo

Niakatra fitsarana tao Toliara ny alakamisy lasa teo ireo teratany karana telo mianaka.Malaza ratsy amin’ny trafikana basy mahery vaika any amin’ny distrikan’ Ankazoabo Atsimo, faritra Atsimo Andrefana. Nafahan’ny fitsarana madiodio ireto karana ireto na dia voasambotry ny mpitandro filaminana fa nahatratrarana basy « kalach » roa niampy basy mahery vaika hafa. Talohan’izao dia efa voasambotra tamina resaka trafikana basy izy telo mianaka ireto ary efa malaza ratsy amin’iny faritra iny amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana ireo dahalo, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Raha ny filazana olom-boafidy iray avy any Ankazoabo dia ny zanany lahy,izay mizaka ny zom-pirenena frantsay no manafatra ireo basy any ivelany. Avy eo mibizina izany amin’ireo malaso ka mampirongatra toa tsy misy fanafana ny halatr’omby arahina vono olona, na dia miezaka manao izay tratry ny heriny aza ireo mpitandro filaminana.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser