- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Nogiazan’ny manam-pahefana ny ombin’ny depiote Mara Niarisy miisa 92

Ankazoabo Atsimo : Nogiazan’ny manam-pahefana ny ombin’ny depiote Mara Niarisy miisa 92

Taorian’ny nahafaty an’ireo mpitandro filaminana valo lavon’ny balan’ny dahalo tao Ankazoabo Atsimo dia nongiazan’ny mpitandro filaminana ny ombin’ny depiote Mara Niarisy miisa 92, nanomboka ny alarobia lasa teo. Raha ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity dia tsy tao an-tanànany (30 km atsimon’ny tanànan’ Ankazoabo renivohitra) ny tenany, fa nankaty an-drenivohitra tamin’ny fotoana nakan’ireo mpitandro filaminana ny ombiny. Raha araka ny loharanom-baovao dia voalaza fa miray tendro amin’ny malaso ity olom-boafidy ity, ka izany ny antony nakana ireo omby mampiahiahy haseho vahoaka mba hafantatrana ny tena tompony.
Dahalo ambony latabatra. Manoloana izao toe-java-misy izao dia miahiahy ity olom-boafidy ity, fa toa karazan’ny valifatin’ny manam-pahefana ao an-toerana aminy izao antsojay atao aminy izao, ka holokoina ho isan’ny mandray omby halatra na mitsikombakomba amin’ny asan-dahalo ny tenany. « Sahy mamotsipotsitra ny marina aho amin’ny afitsoky ny dahalo an-tsaha sy ny mpiray tsikombakomba aminy, dia ny « dahalo ambony latabatra », ary tsy manaiky lembenana amin’ny fihoaram-pefy ataon’ny mpitandro filaminana manao « dramotse » mangoron-karena amin’ny « opération Fahalemana 2015 », dia lotoina sy hosoram-potaka, satria tsy zakan’ireo tompon’andraikitra mitana ny fahefam-panjakana isan-tsehatra mihitsy ny fahasahian’ny Depiote Mara Niarisy manambara tsy amim-pihambahambana ny famatorana andraikitra eo amin’ny manam-pahefana sasany ho mampiroborobo ny asan-dahalo », hoy ny depiote Mara Niarisy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici