Nitrangana fanafihan-dahalo narahina vono olona indray tany amin’ny distrikan’ Ankazoabo Atsimo, ny alahady naraina teo. Omby miisa 400 no lasan’ny malaso roapolo lahy mahery nirongo basy mahery vaika, tao amin’ny fokontany Ankilivondrake, kaominina ambanivohitra Atandrano. Nisy ny fifampitifirana tao anatin’ny fanarahan-dia ka fokonolona telo no maty lavon’ny bala, valo naratra mafy. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia atahorana hitombo isa ny ho faty amin’ireo maratra noho ny tsy fahampian’ny fitaovam-pitsaboana ao Ankazoabo ao. Raha ny vaovao voaray hatrany dia tsy lavitra ny toerana nahafaty ilay zandary avy any Atandrano (tapa-bolana lasa izay) no nisian’ny fifandonana ka nahafaty ireto olona telo. Tsy afa-bela amin’ny fanafihan-dahalo ny ao Ankazoabo Atsimo. Oviana vao hilavo lefona sy hiova fo ny malaso any an-toerana ? Satria miaina ao anaty tahotra sy horohoro ny mponina ka voatery mitsoa-ponenana.
Eric Man