- Publicité -
dimanche, novembre 16, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazoabo-Atsimo : Omby miisa 100 no lasan’ny dahalo, mitohy ny fanarahan-dia…

Ankazoabo-Atsimo : Omby miisa 100 no lasan’ny dahalo, mitohy ny fanarahan-dia…

Mirongatra ny asan-dahalo ao anatin’ny distrikan’Ankazoabo-Atsimo, faritra Atsimo-Andrefana, aman-jatony ny omby lasan’ny dahalo  isaky ny misy  fanafihana amin’ity distrika ity. Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana any an-toerana, dia tsapa ho sahirana ireo mpitandro ny filaminana noho ny tsy fahampian’ny olona sy ny fitaovana hoenti manana. Manampy trotraka ihany koa ny faharatsian’ny lalana misy any an-toerana, ka manjaka tokana ireo dahalo.

Omaly talata, tamin’ny tanànan’Antsakoavato, kaominina ambanivohitra Ankelika,  dia omby miisa zato indray no lasan’ny dahalo, tompon’omby iray no lavon’ny balan’ny dahalo, ary iray hafa naratra mafy, tapaka ny fehy. Araka ny vaovao voarainay tany an-toerana, ny alararobia 13 marsa, dia mbola eo am-pelatanan’ireo malaso ary miroso an’ andrefana izy ireo. Mitohy ny fanenjehana ataon’ireo zandary miaraka amin’ny fokonolona.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici