Nisesisesy tato ho ato ny vono olona miaro halatra taova, vaky fasana . . . , any amin’ny Distrikan’Ankazoabo Atsimo, ka anaovan’ny mponina antso vonjy amin’ny mpitondra mahefa, satria hatreto tsy misy voasambotra ireo nahavanon-doza, raha ny vaovao voaray. Ny alatsinainy teo, tao Ambalamarina, tovolahy iray 18 taona no maty nisy namono, ary noloaran’ireo olon-dratsy ny voamasony roa. Lehilahy iray ihany koa no maty nisy namono hita faty tsy nisy loha, tao Ampandramitsetaky, Kaominina ambanivohitra Tandrano, ny talata teo. Tranga toy izany koa no niseho tao Morahariva, Kaominina Berenty. Tao anatin’ny roa volana, raha ny nambaran’ny olom-boafidy iray izay tsy tononina anarana sy toerana misy eto, dia olona 20 no maty voakapa loha, ary tsy mbola misy hita hatramin’izao ny lohan’ ireo olona namoy ny ainy ireo. « Rehefa miharitra ny omby lasan’ireo malaso mpangalatra, dia tonga indray ny dahalo mpamono sy mangalatra taova. »
Eric Manitrisa