- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Tovolahy tra-tehaka nangalatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Ankazoabo Atsimo : Tovolahy tra-tehaka nangalatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Leom-boan’anana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny mponina, ka izay olon-dratsy tratra dia hiharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Tao anatin’ny 48 ora, raha ny vaovao voamarina voaray, dia olona dimy no namoy ny ainy. Afak’omaly, tany Berenty distrikan’ Ankazoabo Atsimo any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, dia tovolahy iray vao 18 taona monja, izay tratry ny fokonolona avy nangalatra “cageot”-na labiera iray sy biskia iray baoritra tamina toeram-pivarotana iray tany an-toerana no maty tsy tra-drano  niharan’ny hatezeram-bahoaka.  Mandravarava ny dahalo. Raha ny fantatra, dia efa ho herinandro maromaro izao no mahazo laka ny asa ratsy any amin’ity distrika izay mbola faritra mena amin’ny halatr’omby ity, ka mitaintaina toy ny sahobakaka am-bodiriana ny vahoaka. Tsy alina, tsy antoandro, raha ny tati-baovao voaray hatrany, fa saika isan’andro no andrenesana koka hazolava (antso vonjy) noho ny asan-dahalo sy ny vaky trano arahina vono olona hatrany any an-toerana. Ny faran’ny herinandro teo, lehilahy iray maty nofirain’ny malaso  famaky imasom-bahoaka amin’ny antoandro be nanahary teny an-tsena. Noho ny tahotra valifaty, tsy nisy sahy nanenjika ny dahalo nahavanon-doza ireo olona mpamonjy tsena.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici