- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Vehivavy enina, nataon’ny dahalo takalonaina

Ankazoabo Atsimo : Vehivavy enina, nataon’ny dahalo takalonaina

Mitohy hatrany aloha hatreto ny hetsika « coup d’arrêt », ataon’ireo mpitandro filaminana any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Raha ny vaovao voaray mantsy dia nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany Ankazoabo Atsimo.Raha ny marina kokoa dia tao amin’ny fokontany Soarano, kaominina Antandrano afak’omaly. Dahalo 20 lahy mirongo basim-borona no indray nanafika an’io tanana kely io. Omby 80  no indray lasan’ireo dahalo tamin’izany. Tsy vitan’ny omby anefa no nalain’ireo andian-jiolahy ireo, fa nisy ihany koa zaza amam-behivavy nalain’izy ho takalonaina. Nisy enina izy ireo, araka ny fantatra hatrany ka zazavavy ny telo ary efa renim-pianakaviana ny ambiny. Tsy nisy ny fifandonana mahery vaika aloha na dia izany aza tsy nianonana fotsiny amin’izao ireo fokonolona, fa nanara-dia ireto dahalo ireto, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana manao ity hetsika ity.

Fa mbola tany amin’iny faritra iny ihany, mbola dahalo 20 lahy ihany koa nanafika tanana. Mirongo fitaovam-piadiana toy ny basim-borona sy antsilava ary famaky ireto dahalo ireto. Nifanehitra tamin’ireo mpitandro filaminana ireto dahalo ireto, ka ny roa tamin’izany no maty. Voaverina tamin’ny tompony  ihany kosa ireo omby 80 nalain’ny dahalo ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser