Zandary iray no namoy ny ainy, lavon’ny balan’ireo olon-dratsy, iray kosa naratra mafy niampy miaramila roa. Izay no vokatry ny vela-pandriky ny jiolahy, tao an-tampon-tanànan’Ankazoabo Atsimo, ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandarimarim-pirenena, dia namaly ny antso vonjin’ olona, izay nokasain’ olon-dratsy notafihana ireto andiana mpitandro filaminana ireto. Kanjo, mbola tsy tonga tany amin’ilay toerana niavian’ilay antso vonjy ireo, dia tifitra variraraka avy hatrany no nitsena azy ireto tao anatin’ny tampoka. Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana any an-toerana, dia nisy ny fandrasaina fepetra nataon’ireo mpitandro filaminana telolafy tany an-toerana, dia ny nanagiazana ireo basy tsy ara-dalàna rehetra izay entin’olona mivezivezy tao an-tanàna sy ny manodidina. Ao anatin’izany ihany koa ny fisafoana amin’ny alina ataon’ireto mpitandro filaminana ireto. « Tao anatin’ny fanatanterahana izany indrindra no nandrenesan’ireo andiany izay nanao fisafoana ireo antso, fa misy andian-jiolahy mikasa hanafika ny tranon’olona iray izay ao an-tsena ka avy hatrany dia nirohotra nandeha namonjy tany izy ireo hiaro io olona io. Rehefa nihazakazaka namonjy tany ka nandalo teo amin’ny tobin’ny FLM izy ireo, dia nisy tifitra basim-borona avy any anaty kirihitr’ala izay teo akaiky teo. Voa tamin’izany ny 4 tamin’ireo mpitandro ny filaminana ireo » hoy ny vaovao. Teo anatrehan’izay, dia namaly tifitra avy hatrany ny naman’ireto mpanao fisafoana ireto. « Vaky nandositra tao anaty haizina ireo jiolahy ireo ary nandositra toy izany koa ireo sasany izay saika hanafika tranon’olona ka tsy tanteraka ny asa ratsy nokasain’izy ireo hatao ». Efa nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa moa ireo mpitandro filaminana naratra vokatry ny famonjena olona ireto ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa. Nentina tany amin’ny toby kosa ny nofo mangatsiakan’ity zandary lavo an-tanim-piadiana ity. Tetsy andanin’izay, dia mbola nitohy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Ambonin’izay ihany koa ny fampiharana ireo fepetra vaovao noraisina. Efa nisy mihitsy aza ny « renforts » nalefa any an-toerana hanantanteraka izany.
m.L



