Tao anatin’ny volana maromaro izay, saika nandrenesana fanafihan-dahalo narahina vono olona sy fandratrana foana tany amin’ny distrikan’ Ankazoabo Atsimo, faritra Atsimo Andrefana. Ny alahady hariva teo, dahalo 20 mitana basy ka ny enina nitondra « kalach » nanafika tao amin’ ny fokontany Fotivolo, Ankazoabo Atsimo. Omby fito vala no very tamin’izany. Raikitra ny fanarahan-dia ary nisy ny fifandonana teo amin’ireo mpangalatra omby sy ny fokonolona. Vokany, olona efatra naratra, ka tompon’omby ny roa voatifitra, izay manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara amin’izao. Tafatsoaka niaraka tamin’ny namany kosa dahalo roa naratra. Raha ny tati-baovao dia omby 100 no tafaverina tamin’ny tompony.
Manitrisa