- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : 4X4 nivadika, maty ny tovolahy nitondra azy

Ankazobe : 4X4 nivadika, maty ny tovolahy nitondra azy

accidentAndro miditra araka ny fitenenana. Mbola ny sabotsy faran’ny taona teo koa, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva, no nitranga ity fahafatesana ity. Teo Mangarivotra, fokontany iray miala dimy kilaometatra an’Ankazobe, raha vao avy nampanasaina teny amoron-drano ny fiara tsy mataho-dàlana iry ary vao maina mihitsy, no niala teo an-toerana ny telo lahy izay mbola tanora kely avokoa, manodidina ny 20 taona, ary nizotra tamin’ny arabe. Somary nandeha mafimafy izy ireo no nisy bisikileta nipoitra tampoka. Raha niala an’izany ny mpamily dia nifatratra avy hatrany tany amin’ny dongona teo amin’ny sisin-dàlana. Izany indray no nanipy ny fiara ka nahatonga azy nivadika. Maty tsy tsa-drano ny mpamily izay tovolahy 21 taona. Tsy nisy naninona firy kosa reo roa lahy hafa izay niaraka taminy tao anaty fiara.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici