Izany dia nentina mba hitaterana olona an-tsokosoko. Miisa roapolo ireo mpandeha ary hihazo an’Antsohihy no tanjon’izy ireo. « Ny 23 jona, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva no saron’ny zandary izay nanao barazy ara-pahasalamana teo Ankazobe ny fiara mpitatitra zotra nasionaly iray nitondra azy ireo, avy aty an-drenivohitra ka nikasa nihazo an’ Antsohihy », raha araka ny tatitry ny zandary. « Rehefa notiliana ny taratasy dia voalaza fa hody any Antsohihy avy nandevina taty Antananarivo, toy izay koa no nambaran’ny mpamily. Hita sy tsikaritra anefa fa feno hosoka ny soratra. Nohamarinina tamin’ny CCO ary dia voamarina fa fahazoan-dalana ho any Imerintsiatosika hitondra marary no mifandraika amin’io laharana io. Nanontaniana ihany koa ireo mpandeha dia samy nilaza fa tsy nisy nidonam-pahoriana fa ho any Antsohihy toy ny mpandeha tsotra ary tsy misoratra ao anaty fahazoan-dàlana rahateo ny anaran’izy ireo » raha araka ny fanampim-baovaon’ny zandary hatrany. Nogiazana avy hatrany ny fiara ary notanana ny mpamily sy ny mpanampy azy. Isan’ny nivoaka tao anatin’ny fanadihadiana ny hoe mpanera eo amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka no niketrika ny fahazoan-dàlana sandoka. Mendrika ny handeha lavitra ny fanadihadiana satria mety misy tambajotra ao ambadika.
D.R