- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Dahalo efatra maty voatifitry ny zandary

Ankazobe : Dahalo efatra maty voatifitry ny zandary

Dahalo miisa hatrany amin’ny efatra no fantatra fa maty rehefa avy nifampitifitra tamin’ny zandary tany amin’ny faritra Ankazobe. Iray hafa kosa voatifitra teo amin’ny tanany, naratra ka latsaka ny basy nentiny. Mbola tafatsoaka kosa anefa izy io. Voalaza fa anisan’ny nampihorohoro faritra maromaro any an-toerana ireo jiolahy ireo.

Ny alakamisy faha-19 mey teo, nahazo antso ny zandary avy ao Ankazobe fa misy andian-jiolahy mampihorohoro tany amin’ny tanana antsoina hoe Ambohidronono kaominina Tsaramasoandro any Ankazobe. Tsy niandry fa nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana ny faha-20 mey. Raha vao tonga anefa izy ireo dia nanapoka basy ireo olon-dratsy. Nahamarika ny zandary fa valo no isan’ireo dahalo ireo. Raikitra ny fisamborana ka tratra ny fito fa tafaporitsaka niaraka tamin’ny basy kosa ny iray izay voalaza fa ny lehibeny. Teo no ho eo ihany dia natao ny fanadihadiana ireo mpangalatra ireo. Taorian’izany no nahafantarana fa mbola misy naman’izy ireo any amin’ny tanana atao hoe Andavatsaha Anosikely kaomina Antsakavana. Nandray fepetra ireo mpitandro filaminana ka ny telo tamin’ireo nosamborina nentina avy hatrany nanaraka ny zandary. Ireo efatra kosa nandeha niaraka tamina zandary vitsivtsy hanoro ny toerana misy ireo namany. Tsy fantatra izay niseho, fa teny an-dalana, nisy nanao velam-pandrika ireto farany ireto. Ny nahavariana dia ny nahafantaran’ny jiolahy fa ho any amin’ilay toerana izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana. Tamin’io fotoana io, nanararaotra nandositra ireo efadahy voasambotra. Tao anatin’ny fifanjevoana no nisy an’izany.Tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo mpitandro filaminana ka maty voatifitra izy efatra ireo. Tamin’ireo nanao velam-pandrika, nisy iray ihany koa voa teo amin’ny tanany ary latsaka ny basy teny aminy. Tafatsoka ihany anefa izy io. Mitohy ny fanadihadiana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici