- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Fanafihan-jiolahy, maty voatifitra ny tompon-trano

Ankazobe : Fanafihan-jiolahy, maty voatifitra ny tompon-trano

Raim-pianakaviana iray no lavon’ny balan’ny jiolahy, tany amin’ny tananan’i Fenomanana, ao amin’ny fokontany Antsampanimahazo, any amin’iny distrika Ankazobe iny, ny faran’ny herinandro teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nanao amboletra tao amin’ny tokantranon’ity raim-pianakaviana ity, ny dahalo nahatratra teo amin’ny dimy lahy teo, nitondra basy. Vantany vao tafiditra ireo, dia ny vola avy hatrany no notakiany. Vola mitentina teo amin’ny enina hetsy ariary teo ho eo no lasa tamin’io fotoana io. Vao lasa ireo no niantso vonjy ny tao an-trano. Nahay niray hina ihany koa ireo fokonolona ka namaky ny antso vonjin’ity farany. Raikitra teo ny fifandonana ka nisy tamin’ireo mpanafika no naratra. Nanao tsoa-pe nitsoaka ireo mpanani-bohitra no sady namaly tifitra ihany. Tamin’io fotoana io no voan’ny bala ilay rangahy tompon-trano ary naratra mafy. Natao avy hatrany ny famonjena ity farany, saingy indrisy fa namoy ny ainy izy raha vao tonga teny amin’iny hôpitaly teny Bejofo, Mahitsy. Nampandrenesina ihany koa tamin’io fotoana io ny zandary ary tonga teny an-toerana, nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici