Fantatra izao fa olona telo indray no voasambotra teny amin’ny faritra Ankazobe mikasika ilay fanakanan-dalana nahafaty jiolahy niseho herinandro vitsy lasa izay. Ny fanadihadiana natoann’y mpitandro filaminana no nahatongavana tamin’izao vokatra izao. Nanakaiky ny fianakavian’ilay jiolahy voatifitra izy ireo. Nizotra soa aman-tsara ny famotorana. Fantatra avy eo ireo namany roa. Nosamborina tany amin’ny tranony. Hay mpiray tanana ihany izy ireo. Tamin’ny andron’ny fanafihana, voalaza fa niisa hatrany amin’ny valo ireo mpanakan-dalana; Araka izany, misy maromaro ireo karohina. Tsiahivna maty voatifitry ny zandary iray nandeha tamin’ilay fiara mpitatitra ilay jiolay. Raha nahita izany ireo namany dia lasa nandositra avokoa. Nandritra ny fanakanan-dalana dia nanapoaka basy ireo olon-dratsy sady nitoraka vato. Fiara maroamro avy any Mahajanga ho aty an-drenivohitra no voasakana tamin’ny hazo sy vato. Voatery tsy maintsy nijanona ilay nitari-dalana. Avy dia nanamabana basy ny mpamily ny jiolahy iray. Tamin’io fotoana io anefa, nisy zandary nipetraka teo amin’ny “devant”. Tsy nisalasala ity farany fa avy dia nitifitra. Voa teo amin’ny lohany ilay bandy ary maty teo no ho eo. Raha nahita izany ny namany dia rifatra nandositra avokoa. nampandrenesina ny zandary avy ao Ankazobe ary tsy ela dia tonga. Tsy nisy hita intsony anefa ireo mpandroba lasa nitsoaka.
r.s.