Tao amin’ny toerana antsoina hoe Tsitakondaza no misy ny fasan-drazan’ny filohan’ny delegasiona manokana izay nitatantana an’Antananarivo teo aloha. Ao koa izy no nalevina ny septambra lasa teo rehefa niamboho teo amin’ny faha-55 taonany. Nisy nahatsikaritra fa nidanadana ny varavaram-pasana. Nampandrenesina ny manam-pahefana ary ireo farany indray no niantso ny fianakaviana. Rehefa natao ny fizahana dia tena nisy olon-dratsy namaky tokoa ny fasana. Ny nojerena voalohany dia ny hoe mbola tao ve ny razana sa nisy naka? Rehefa nohamarinina dia tsy nisy nipika tamin’ny toerany izany. Mbola tsy voafaritra kosa izay mety nalain’ireo olon-dratsy tao anaty fasana. Telo volana taty aorian’ny fandevenana io olo-be io izany no nisian’ity vaky fasana ity. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana izay miadidy iny faritra iny.
D.R