Namono olona indray ny lalam-pirenena fahefatra. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo dia fiara mpitatitra olona iray no nivadika teo Beadambo, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe. Vokany zazakely iray vao folo volana monja no maty tsy tra-drano. Mpandeha 16 kosa no naratra mafy. Araka ny angom-baovao azo, dia tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any no nitranga ny loza. Handeha hianavaratra hihazo ny renivohitr’i Boina ity fiara mpitatitra ity tamin’io fotoana io. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena zava-nisy, fa raha ny filazan’ireo teny an-toerana dia toa hoe somary nandeha mafy ilay fiara. Nisy fiara hafa nandeha mafy ihany koa anefa nifanena taminy ary voalaza fa nangalatra ny làlana tokony hizorany io fiara io, ary niezaka niala izany ity mpitatitra olona ity. Tamin’izay anefa no tsy voatanan’ny mpamily intsony ilay fiara ka dia niala làlana ary niafara tamin’ny fivadihany avy teo. Nentina novonjena tao amin’ny hôpitaly Bejofo avokoa moa ireo naratra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity ka nisy tamin’ireo naratra mafy no nentina niakatra ary nalefa avy hatrany tetsy amin’ny hôpitaly Ampefiloha. Efa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, niezaka ihany koa namonjy ireo naratra ary nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra fanadihadiana.
Fa mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, nitranga indray ny alin’ny alatsinainy lasa teo amin’iny faritra Diana iny, tao Antanifasika, distrika Ambilobe. Fiara tsy mataho-dalana iray no nandona ankizivavy kely efa-taona. Raha ny vaovao voaray, dia tsy nijanona akory fa mbola nanohy ny diany nitsoaka hatrany ilay mpamily ary efa mandeha ny fikarohana azy, ataon’ireo mpitandro filaminana amin’izao.
m.L