Ny eo tsy azo, ny hafa tafoavaka indray. Olona mbola mamita ny saziny indray mantsy no tafatsoaka tao amin’ny fonjan’Ankazobe. “Vao androany (ndlr omaly) no tonga teo aminay ny taratasy fampikarohana io gadra tafatsoaka io”, hoy ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana any amin’iny faritra iny. Araka ny angom-baovao azo dia ny alahady hariva teo ity olona tokony mbola hisazy ity no tafavoaka ny fonja nitazomana azy. Gaboraraka teo amin’ny fiambenana sa tetika efa maty paika ? Hatreto dia mbola tsy fantatra izay antony nahafahany nitsoaka. Tsiliam-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa toa hoe mody nanao marary izy ka nangataka hifindra efitra. Nanararaotra ny fotoana mbola nampikorontana ny fiambenana ity ranamana ity ka nihanika tamboho ary lasa nitsoaka. Tsy nisy nahafantatra akory raha tsy tamin’ny fotoana nisian’ny fisafoana. Marihana mantsy, raha ny fanazavàna azo hatrany, fa tokony hotsaraina omaly, noho ny resaka asan-jiolahy izy io kanefa dia io tafatsoaka io. Efa mandray ny fepetra rehetra hikarohana ity gadra nitsoaka ity moa ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Fifanandrifin-javatra ihany ve, fa angamba tamin’ity taona ity no nahitàna fahavakisana fonja sy fitsoahana gadra be indrindra, raha tsy hiteny afa-tsy ny tany Ambatondrazaka, Toamasina, Tsiafahy ary ity tany Ankazobe ity. Efa misy amin’ireo gadra nandositra ireo no efa tafaverina any am-ponja, misy kosa anefa mbola eo am-pikarohana azy. Ary ireto farany dia saika ireo rain-dahiny amin’ny asan-jiolahy avokoa.
m.L