- Publicité -
samedi, décembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Gadra nitsoaka efa-dahy tratran’ny zandary

Ankazobe : Gadra nitsoaka efa-dahy tratran’ny zandary

Roa taona aty aoriana sy nikarohana azy ireto gadra nitsoaka ireto  vao tratra. Efa-dahy izy ireo, izay efa samy ikoizana tanteraka amin’ny  fanafihan-dahalo any amin’iny faritra Ankazobe iny. Ary noho izay indrindra no antony nanamelohana azy tamin’izany fotoana, saingy izy ireo tafatsoaka ny fonja ny taona 2015. Ny faran’ny herinandro teo izy ireo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny “poste avancé” tao Antolojanahary, Ankazobe. Rehefa nanao ny fisafoany mahazatra ireto mpitandro filaminana ireto no nahatsikaritra ireto efa-dahy izay somary nampiahiahy ihany. Avy hatrany dia niroso tamin’ny fisavana izy ireo ka teo no tra-tehaka ireto andian-dahalo sy gadra tafatsoaka  ireto. Izany antsoina hoe “Doro” izany no lehibeny ary tratra niaraka tamin’ny namany telo lahy hafa. Nentina avy hatrany tany amin’iny biraon’ny zandary moa izy efa-dahy ireo, nanaovana fanadihadiana sy famotorana. Nalaza ratsy tamin’iny taona nivalona iny tokoa ny fahavakisan’ireo fonja maromaro teo amintsika. Gadra izay marihana fa saika voafonja noho ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana avokoa izy ireo. Saingy hatreto aloha dia mbola vitsy tamin’izy ireo ihany no tratra sy tafaverina tany amin’iny toerana nitazonana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici