jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Gadra nitsoaka ifampitadiavana

Ankazobe : Gadra nitsoaka ifampitadiavana

Razafindratovo Mamy Berthin, gadra nitsoaka tao Ankazobe.

Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Razafindratovo Mamy Berthin no namoahan’ny tribonaly ao Ankazobe taratasy fampikarohana, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny voalaza dia gadra nitsoaka ny fonja nitazomana azy tao Ankazobe ny lehilahy. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny Tonia mpampanoa lalàna any an-toerana dia ny faramparan’ny volana jolay teo ity farany no tafatsoaka, tsy niverina intsony raha teo am-panaovana asa ivelan’ny fonja (MOP) tany amin’ny Aumonerie Catholique tany an-toerana. Araka ny angom-baovao hatrany moa dia tamin’io andro namoahana ity taratasy fampikarohana ity, iray volana aty aoriana, vao nahazo fampandrenesana avy amin’ny lehiben’ny mpiandry fonja tao an-toerana ny teny anivon’ny Fitsaràna. Toy izao ny momba azy :  42 taona, 1.59 m eo ny halavany, somary lehibe ny handriny, ary misy tombokavatsa misary voromahery eo amin’ny tanany havia. Mpandraharaha izy talohan’ny nahameloka sy nampidirana an-tranomaizina azy ary nonina tao amin’ny lot 347 AV Cité Ambohibao. Iangaviana araka izany izay mahita na manam-baovao mahakasika ity gadra nitsoaka mba hampandre ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici