Misoko mangina, raha tsy dia re matetika tato ho ato, ity resaka halatra taolam-paty sy ny vaky fasana ity. Afak’omaly, fasana roa no indray vaky, tany amin’iny distrikan’ Ankazobe iny, tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambohitromby. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny tompon’andraikitry ny tanàna no nampandre ny zandary tany an-toerana ny amin’ny fisian’ireo fasana vaky ireo. Rehefa samy tonga teny an-toerana ireto dia fantatra fa razana roa no nanjavona tao amin’ilay fasana voalohany. Niisa efatra kosa ireo razana very tao amin’ilay fasana iray. Hatreto dia samy mbola valalanina amin’ity toe-javatra ity ireo mponina. Tsy mbola nitrangana toa izany mantsy teny amin’ity kaominina ity, raha ny filazan’izy ireo. Efa mandeha koa ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana.
m.L