- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Jeneraly sy mpanao gazety sandoka M.D

Ankazobe : Jeneraly sy mpanao gazety sandoka M.D

Ny voalohany milaza ho jeneraly izay miasa eo anivon’ny fari-piadidiana ny repoblika. Ny faharoa kosa milaza ho mpanao gazety. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanao ramatahora mba hahafahana maka ny omby izay nogiazana araka ny didin’ny fitsaràna noho ny tsy fisian’ny taratasy. Sahy nandalo tamin’ny ambaratonga rehetra nisy ireo olona roa ary nilaza fa azy ireo ny omby ary mila alainy. Nisy mihitsy aza ny taratasy sandoka izay navoakan’ireo ary manamarina fa nisy fifampivarotana teo aminy sy ny filoham-pokontany iray tao an-toerana, io farany izay efa nosamborina koa rehefa voarohirohy ho tompon’antoka voalohany tamin’ny fitazomana omby tsy misy taratasy. Saingy izany taratasy rehetra izany dia voamarin’ny zandary fa taratasy sandoka. Teo koa no niainga ny fanadihadian’ny zandary izay naheno ny fisian’ireo olona roa ka nitady azy ireo eraky ny tanàna. Teny ambony moto ireo olona no voasambotra. Rehefa tena nozohina ary ny momba azy ireo dia fantatra fa mpisandoka andraikitra fotsiny ihany. Mpianaka izy ireo ary sady tsy jeneraly velively ny iray no tsy mpanao gazety ihany koa ny faharoa. Mbola voamarina koa ny fisian’ny taratasy sandoka izay saika hiadiavan’izy ireo mba hahazoana ny omby miisa 31 izay efa nogiazana. Taorian’ny fanolorana ny fampanaovana dia notazomina am-ponja vonjimaika izy mianaka noho ny fisandohana andraikitra, indrindra indrindra. Amin’ny lafiny iray, matoa tonga amin’ny fanao tsy mety toy izao ny olona dia mahita izany izy ireo fa mahomby ny fomba ratsy eto amintsika dia ny fananararaotam-pahefana izany. Iza  tokoa no tsy hatahotra manam-boninahitra izay akaiky ny filoha izany ary aiza no varavarana tsy hisokatra raha vao maheno izany galona sy asa izany ? Soa tamin’ity indray mitoraka ity fa vetivety dia nanan-tsaina ny zandary ny nanamarina ary hita avy hatrany fa mpisandoka ireo olona.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici