Miverina mirongatra indray ny halatr’omby ao amin’ny distrikan’i Mandoto. Tsy fanafihana mitam-piadiana toy ny fandre matetika no mitranga ao ankehitriny fa lasa joko na ireny antsoina hoe rainizavona ireny. Fianakaviana iray no very ombin-tsarety roa ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Tsy nisy nahare ny nangalan’ireo dahalo ny omby tao ambala fa ny tompon’omby nifoha tamin’ny 4 ora maraina hamahana no giana tsy nahita ny ombiny tao intsony. Niantso vonjy ity farany ary vory lanona ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia. Hatramin’ny ora nanoratana omaly mbola tany ampanarahan-dia ny fokonolona saingy re fa tsy nahita nangirana mihitsy. Tao amin’ny fokontany Andrambo kaominina Vinany no nisehoan’ity tranga ity. Nambaran’ireo fokonolona tafaresaka taminay fa mateti-pindranga ny joko tahaka izao tao amin’ny kaominina. Rehefa mahazo ny lalam-pirenena vita tara ny dian’omby dia tsy hita intsony.
Andry N.