Tsy an-drenivohitra tsy ambanivohitra, fa dia lasa lamaodin’ireo olon-dratsy indray ity maka an-keriny ity. Raha milamindamina izany teto an-drenivohitra dia ireo dahalo any ambanivohitra indray no manao ny ataony. Lehilahy iray, mponina ao amin’ny tanana antsoina hoe Anosikely, any Ankazobe no nalain’ny dahalo an-keriny, ambonin’ireo omby an-jatony isa lasibatra tao amin’io tanana io. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia ny zoma alina lasa teo no niseho ity fanafihan-dahalo ity. Andiany maromaro, am-polony maro tany ho any, nirongo basy izy ireo no indray nandrava io tanana kely io. Ny mponina moa etsy an-danin’izay, raha vao mahita ny rentirentin’ireo fitaovam-piadiana dia efa tsy nisy sahy nivoaka sy nanohitra ny fandrosoan’ireto olon-dratsy. Hany ka tapitra notetezin’ireto malaso avokoa ireo valan’ombin’olona tao an-tanana. Tsy nionona fotsiny tamin’ireo omby anefa ireto olon-dratsy fa dia mbola niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, ary nitondra tamin-kery ity lehilahy tompon’omby ity. Afa-po tamin’izay izy ireo vao nivoaka ny tanana, nitondra ireto azony. Raha ny fanazavana hatrany anefa dia naverin’ireo dahalo ity lehilahy nony afaka kelikelin’ny tanana. Hafatra avy amin’ireo olon-dratsy ny hoe, tsy miverina ny omby raha tsy mahazo 10 tapitrisa ariary izy ireo. Fantatra fa efa eny am-pelan-tanan’ny zandary ny raharaha ary efa manomboka ny fanarahan-dia, hifandrombonan’ny miaramila sy ny zandary miaraka amin’ireo fokonolona.
Tato ho ato tokoa dia saika hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana indray iny faritra Ankazobe iny. Ambonin’ny fanafihan-dahalo izay toa miha-mahery vaika andro aman’alina dia manao ny ataony ihany koa ireo jiolahy mitam-piadiana, mandrava ireo tanan-dehibe. Raha tsy hiteny afa-tsy ilay tranga nampihoron-koditra niseho tao an-tampon-tanana ny herinandro lasa teo. Tovovavy iray no hita faty tanaty kirihitra, mihoson-drà voatsatotsatok’antsy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola voaolana ihany koa. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka araka izany ireo mponina, eny fa na dia eo aza ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitandro filaminana.
m.L