- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Mpanakan-dàlana maty voatifitry ny zandary

Ankazobe : Mpanakan-dàlana maty voatifitry ny zandary

Jiolahy mpanakan-dàlana iray no fantatra fa maty voatifitry ny zandary tamin’ny làlam-pirenena faha-4 ny alin’ny alakamsiy hifoha ny zoma tamin’ny 12 ora sy sasany. Raha nahita izany ireo namany dia lasa nandositra avokoa. Fiara dimy avy any Mahajanga ho aty Antananarivo no niara-dàlana tamin’io fotoana io. Rehefa teo Andakana, eo anelanalen’i Tamponketse sy Manerinerina anefa, voasakana vatobe sy hazo ny làlana. Voatery nijanona ilay fiara nitarika. Tonga dia nitifitra iireo jiolahy sady nitoraka vato. Vaky tamin’izany ny fitaratr’ilay fiara. Avy eo nanatona ny mpamily sady nanambana basy. Efa tsara omana kosa anefa ilay mpitandro filaminana teo amin’ny “devant” ary nitifitra avy hatrany. Voa teo amin’ny lohany ny iray tamin’ireo mpandroba ary maty tsy tra-drano. Ny vaovao voaray hatrany no nahalalana fa valo ny isan’ireo mpanakan-dàlana ireo ary nitondra basim-borona. Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireo nitsoaka. Voalaza fa talohan’izao dia efa nisy fanakanana nataon’ny olon-dratsy tamin’iny làlana iny, saingy tsy nahavoa ry zalahy tamin’izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser