Lehilahy iray, mpiasa amin’ny tranombarotra iray mpivarotra fitaovam-piadiana no voasambotry ny zandary avy ao anivon’ny vondron-tobim-paritra Ankazobe ny talata lasa teo noho ny resaka fanaparitahana bala. Tra-tehaka ary tsy afa-niala intsony tamin’ireo zandary ranamana tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse tetsy Vasakaosy. Mbola tratra tany aminy, hoy hatrany ny fampitam-baovao ny bala calibre 12, miisa teo amin’ny efapolo isa teo. Nisy fotoana tokoa mantsy, tonga teny am-poto-tsofin’ny zandary avy ao Ankazobe ny vaovao mahakasika ny fisiana olona mpamatsy bala ireo olon-dratsy any an-toerana. Taorian’ny fitsongoana dia sy ny fanaraha-maso ireo laharana isan-karazany, fampiasan’izany olon-dratsy izany dia nametraka velam-pandrika ireo zandary ary izao « tafajoboka » tao ny trondro. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana fa mpiasa eo anivon’ireo tranombarotra nahazo alalàna hivarotra fitaovam-piadiana ny lehilahy. Raha ny voalazany nandritry famotorana azy dia avy ao amin’ny toeram-piasàny ihany no nahazoany ireo bala ireo. «Bala 100, calibre 12 na calibre 16, isaky ny fahazoan-dalana, isan-taona no azon’ny olona jifaina ao an-toerana. Ny ankabeazan’izy ireo anefa tsy manana fahefa-mividy hahavidy izany bala 100 izany. Reseny lahatra araka izany ilay mpanjifa hanatratra io « quota » io ary izy no mividy ireo ambiny. Hamidiny angalany tombony any amin’ny varo-maizina amin’izay avy eo ireo bala ireo amin’ny vidiny roa alina ka hatramin’ny 25,000 ariary ». Efa tany amin’ny taona 2018 taona izy no nanao io bizina maloto io ary efa nahalafo bala teo amin’ny 300 isa teo. Efa eny am-pelan-tanan’ny Fitsaràna moa ny raharaha, taorian’ny nanolorana ity lehilahy teo anatrehan’ny Fampanoavana.
m.L