Lehilahy iray mpitrandraka volamena no fantatra fa maty nihotsahan’ny tany, ny faha-15 aprily lasa teo. Tany amin’ny toerana antsoina hoe Ankisatra kaominina Ambolotarakely any Ankazobe, no niseho ny loza. Tokony ho tamin’ny 12 ora tany no nihotsaka ny tany. Tsy afaka niala ilay lehilahy fa tototra tao. Anisan’ny toerana fikarohan’ny olona volamena iny faritra voalaza etsy ambony iny. Ny tena mahavariana ny maro anefa, tsy dia maharaka loatra ny fara fahakeliny amin’ny fiarovana ny olona manao izany any an-toerana. Efa nalaina moa ny fatin’ilay rangahy. Tonga teny amin’ny toerana ny zandary avy ao amin’ny PA Ambolotarakely niaraka tamin’ny dokotera nizaha ny zava-nisy. Rehefa vita ny fizahana, dia nomena ny fianakaviany ny razana. Efa misy ny fanadihadiana misokatra ataon’ny mpitandro filaminana.
r.s.