- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Mpividy kisoa nisy naka an-keriny

Ankazobe : Mpividy kisoa nisy naka an-keriny

Efa tsy mifidy izay sendra avy intsony ny jiolahy amin’izao fotoana izao. Mpividy kisoa, tany amin’iny faritra Ankazobe iny no nentin’ny jiolahy nanaraka azy an-keriny, ny zoma lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo, dia roalahy ireto olona ireto no avy nividy kisoa, ary teny an-dàlana handeha hody, nandroaka ireto biby fiompy no sendra an’ireo tontakely teo Antsirindrana. Tsy hitan’ireto roalahy ireto ny fiavin’ireo jiolahy raha tsy efa voabeda ny rangahy iray. Norahonan’iretsy olon-dratsy kosa ny iray tamin’izy ireo hiverina ho any an-tanàna, haka vola roa hetsy ariary, sy hampandre ny mpitandro filaminana raha tsy izany dia hovonoiny ity rangahy nobedainy ity. Teo anatrehan’io fandrahonana io dia lasa nankany an-tanana tokoa ity lehilahy ity, saingy tsy nahita vola afa-tsy enina alina ariary izy tany. Nony niverina teo amin’ilay toerana nitazonan’ireo olon-dratsy ity rangahy namany anefa izy, dia akory ny hagagany fa tsy tazany teo intsony, na ireo jiolahy, na ilay lehilahy nosamborin’izy ireo. Izay vao nihazakazaka niantso mpitandro filaminana ity lehilahy ity. Mitohy araka izany ny fanadihadiana ataon’ireo zandary any an-toerana, hitadiavana ity mpiompy kisoa nisy naka an-keriny ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser