- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Nanjavona koa ny lakolosin-dry môpera

Ankazobe : Nanjavona koa ny lakolosin-dry môpera

Manjaka tanteraka amin’izao ity halatra lakolosim-piangonana ity. Lasibatra koa ny lakolosin’ny fiangonana katôlika tao Ankazobe ny talata lasa teo. Tsy nahatsikaritra ny zava-nitranga ny rehetra. Tsy fantatra rahateo hoe tamin’ny fotoana inona no nangalan’ireo olon-dratsy sy nampidinany izany avy eny ambony tilikambo. Raha ny fampitam-baovao azo dia ny ben’ny tanàna tao an-toerana no nampandre ny zandary fa nanjavona ny lakolosim-piangonana. Araka izany dia efa manokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ity lakolosy very ity, miaraka amin’ireo olon-dratsy nangalatra izany ireo zandary any an-toerana. Mbola mitana ny sain’ny maro tokoa ity halatra lakolosy ity. Hatao inona ? Siosion-dresaka hatrany no ahafantarana fa misy mandray lafo dia lafo ireny lakolosy ireny. Indrindra fa ireo lakolosy tany ho any tamin’ny taona 1897 tany ho any ireny. Ilay vy nanaovana azy no voalaza amin’izany fa tena ilain’ireo mpandray ary sahin’izy ireo sandaina vola an-tapitrisany maro tokoa. Hatreto anefa dia mbola mijanona ho siosion-dresaka hatrany izany fa tsy mbola nisy valim-panadihadiana manambara mazava. Etsy an-danin’izay ihany koa anefa, saika ireo mpangalatra aty ambany foana no voasambotra. Ireo tremalahy mpandray sy mpividy halatra kosa dia mbola misitritsitrika any ambadika any.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici