- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Nivadika ny fiara nitondra chorale

Ankazobe : Nivadika ny fiara nitondra chorale

Iray no maty ary 19 no naratra mafy. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teo Manakazo-Ankazobe, teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 122+300. Manodidina ny tamin’ny 12ora sy sasany alina afak’omaly no nivoaka ny làlana ny fiara. Hatreto dia noho ny fandehanana mafy no fahitàn’ny mpitandro ny filaminana ny anton’ny loza. Nilatsaka tany anaty hatsana ilay fiara Sprinter izay nitondra ny antokom-pihira Filadelfia, Fjkm Ambatolampy. Ramatoa iray izay 44 taona ary monina ao Ambatolampy no namoy ny ainy. Ireo 19 naratra kosa dia nahitàna zaza latsaky ny folo taona miisa telo. Efa an-dàlana ny hiverina hihazo an’andrenivohitra alohan’ny hodiana any Ambatolampy ity fiarakodia ity no niharan’ny lozam-pifamoivoizana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici