Tovolahy iray manodidina ny 22 taona, no lasan’ny rano, ny alarobia lasa teo, tao amin’ny fokontany Avaratevana Mamisoa, ao amin’ny kaominina Andranovelona, distrika Ankazobe. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo, raha efa niakatra dia niakatra ny rano, noho ny fandalovan’ilay andro ratsy, dia mbola nikasa ny handeha hiampita ihany ity tovolahy ity, araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandary. Tsy tody teny amin’ny morona anefa ilay tovolahy, fa avy hatrany dia natelin’ilay renirano nahery dia nahery. Ary tsy nipoitra intsony. Nampandrenesina avy hatrany ny fokolonona sy ireto tompon’andraikitry ny filaminana izay tonga avy hatrany teny an-toerana. Efa nanomboka tamin’io fotoana io, ary nitohy omaly ny fikarohana ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity, saingy mbola tsy hita hatramin’izao. Mbola manohy izany kosa ireo fokonolona sy ny zandary avy amin’ny « poste avancé »-n’ny zandary ao Tolojanahary. Araka izany, dia tafakatra enina tamin’ity olona lasan’ny rano ity ny namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ilay andro ratsy Enawo teto amintsika. Am-polony maro kosa no fantatra fa naratra vokatr’izay hatrany.
m.L