- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Olona roa matin’ny pesta

Ankazobe : Olona roa matin’ny pesta

Voaporofo tanteraka fa valan’aretina pesta no nahafaty ireo olona roa, mpianaka tany Ankazobe. Avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana ny fanamarinana. Ireo zandary tao an-toerana no nahazo tatitra voalohany mahakasika ity tranga ity, ka nampandre ny CSB2. Tsy nisy fanomezana taratasy fanamarinam-pahafatesana sy ny antony nahatonga izany, tamin’ilay olona izay maty voalohany, zazalahy 14 taona. Rehefa izany, dia tsy fantatra mazava ny nitarika ny fahafatesany ary avy hatrany dia nalevina. Herinandro taty aoriana, dia narary koa ny rainy ary maty tany amin’ny toeram-pitsaboana. Talohan’ny nahafatesany, dia nahavita nitantara ny nanjo an-janany izy vao maty herinandro mialoha an’io ity raim-pianakaviana ity. Teo vao nikorapaka ny rehetra, satria raha ny famaritana rehetra nataon’ilay rangahy, dia pesta no nahafaty an-janany izany. Noraisina arak’izany ny fepetra teo amin’ilay tanàna nisian’ny fahafatesana. Natao fizaham-pahalasamana ny olona  11 izay nahiana ho voa. Ny iray tamin’ireo no nahitana soritra fa voan’ny valan’aretina pesta ary nomena fitsaboana faran’izay malaky. Raha ny fanamarihana avy tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana dia toa tsy dia taitra amin’ity loza manambana ity ny iray tanàna. Misy arak’izany ny fepetra horaisina amin’io faritr’Ankazobe; izay isan-taona dia niaingan’ny pesta hatrany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici